Loisirs

KOPI KOLE 2015 Mpanohana ofisialy ny Orange Madagascar


  • Zoma 10 Aprily 2015

Hotanterahina manomboka ny 25 aprily ho avy izao indray ny Kopi Kolé andiany fahatelo, vokatra vokarin’ny TV Plus Madagascar.

 

 Any Toamasina no hisantarana ny hetsika, hofaranana eto Antananarivo ny 6 Jona ho avy izao, lanonam-be hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Hampiavaka ity andiany fahatelo ity, raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny TV Plus Madagascar Rabemananjara Nicolas ny fisian’ireo mpandray anjara vaovao avy ao Fianarantsoa ankoatra an’i Toamasina, Toliara, Mananjary ary Antsirabe izay efa mpandray anjara hatramin’izay. Ny orinasa Orange Madagascar no mpanohana ofisialy ny hetsika. Omaly no nampahafantarina tamim-pomba ofisialy izany entina hametrahana amin’ny toerany ireo tanora Malagasy manan-talenta sy ho fanandratana avo ny kolontsaina Malagasy. Narahina sonia fifanekem-piaraha-miasa  teo amin’ny roa tonta izany rehetra izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT