Loisirs

Koltorallye 2015 Hanampy amin’ny fanarenana ny seminera Ambatobevanja


  • Zoma 17 Aprily 2015

Hotanterahana ny sabotsy 25 aprily 2015 tontolo andro ny hetsika «Koltorallye» andiany faha-3 karakarain’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara.

 

Toy ny mahazatra dia hosedraina mandritra ny fifaninanana ny fahaizana mamily fiarakodia sy ny fandalinana ny Soratra Masina ho an’ireo ekipa mpandray anjara tsy mihoatra ny 40, araka ny vinavinan’ny komity mpikarakara. Mirefy 70 km ny halaviran-dalana fitetezana ireo fiangonana 13 izay hiainga eny Mahamasina ka hifarana eny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato hisian’ny hetsika fiaraha-mikoran’ ny vahoakan’Andriamanitra rehetra. Efa misokatra ny fisoratana anarana eny amin’ny Foibe FJKM izay hifarana ny talata 21 aprily sandaina 5 alina ariary. Hanome ny toromarika sy ny lamina farany mikasika ireo fepetra mifehy ny fifaninanana ho an’ireo ekipa mpifaninana 2 hatramin’ny 5 misolotena ny fitandremana kosa ny mpikarakara ny alakamisy 23 aprily. Hamaranana ny fotoana ny fiombonam-bavaka ka hanampiana amin’ny fanarenana ny seminera tranovato ao Ambatobevanja ny ampahany amin’ny rakitra voangona.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT