Loisirs

Kolontsaina Malagasy Tsy mahazo zoro firarazana fa natao anjorombala


  • Talata 14 Oktobra 2014

Manana ny lanjany manokana araka ny famaritana napetraky ny Unesco tany Mexico tamin’ny taona 1980 ny kolontsaina eo amin’ny fiainan’ny firenena anankiray ka tafiditra ao anatin’izany isika Malagasy.

Mampalahelo anefa, hoy ny minisitry ny asa tanana sy vakoka ary kolontsaina Malagasy, Rtoa Vaonalaroy Randrianarisoa teny Antaninarenina omaly, fa tsy mahazo zoro firarazana mihitsy fa natao anjorombala aza ny kolontsaina malagasy. Na ny toerana nasiana ity minisitera ity aza niovaova isaky ny mpitondra, ny anarana nisaloran’ny minisitera natao sekretariam-panjakana na departemanta minisiterialy teo aloha dia ampy hanaporofoana izany, hoy izy. Natao indrindra hanairana ny sain’ny tsirairay avy izao fihaonana atao miaraka aminareo mpanao gazety izao, hoy izy, fa tsy afaka hirehareha amin’ny maha izy azy ny Malagasy raha mbola atao ambanin-javatra ny kolontsaina fototry ny maha olona azy. Mbola anisan’ny voasokajy ho mahantra indrindra maneran-tany isika ary faran’izay fadiranovana mihitsy fa ambany fiharian-karena, ambony trosa, be taham-pahafahafatesana raha mbola mitohy izany fanaovana tsinontsinona ny maha malagasy izany. Koa andao ary isika mianakavy hifanome tanana hanandratra ny maha izy antsika, andao hamerina ny fiarahamonina tena malagasy, mifampitsinjo ka hihevitra am-boalohany fa ny kolontsaina matanjaka no antoky ny fahombiazan’ny firenena iray manontolo. Anisan’ny voatsidika tamin’ity fihaonana ity avy amin’ny fanontaniana navantan’ny mpanao gazety tamin-dRamatoa minisitra Vaonalaroy ny fanohizana ny asa atao eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny amin’ilay satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona very ary ny fampiasana ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena etsy Mahamasina. Soso-kevitra farany naroson’ny mpanao gazety iray tamin’ity minisitra ity koa mba hoentiny eny anivon’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra koa aza ny hanaovana ny lahateny ofisialy rehetra atao eto amintsika amin’ny teny Malagasy hiringiriny ka mba hanana ny asany ao anatin’izany ny mpandika teny nianatra izany an-taonany maro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT