Loisirs

Ketaka Razafimisa Nodimandry omaly maraina


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Nodimandry tampoka omaly maraina i Ketaka Razafimisa anisan’ireo mpanatontosa sarimihetsika Malagasy vao misandratra.

 
Araka ny fantatra dia nisafidy ny hanapitra ny ainy ka nananton-tena tamin’ny tady tao an-tranony izy.Voalamina ho nalefa omaly tamin’ny 6 ora sy sasany hariva anefa ny sarimihetsika novokariny ary tafiditra indrindra ao anatin’ny hetsika andininy faha-10 amin’ny Rfc (rencontre des films courts). Araka ny fitantaran’ny namany iray dia tsy nisy mihitsy fambara mety namisavisana fa hamono tena i Ketaka fa dia tahaka ny izy isan’andro ihany ny fahitana azy ny talata lasa teo. Nahitsy fomba fijery, nivantambatana fomba fiteny ary tsy menatra namosaka ny heviny i Ketaka Razafimisa, araka ny filazan’ireo olona nahafantatra  azy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT