Loisirs

José Camarade Milalao mozika maroloko


  • Sabotsy 07 Jona 2014

Tsy ny hanome fahafaham-po ny mpankafy amin’ny faritra iray fa ny hanolotra ny kanto ary hampianjaika ny raitra ho an’ny Malagasy mielimpatrana manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny hira sy mozika.

Io no antony nahatonga an’i José Camarade, mpanakanto avy any Fianarantsoa miezaka hatrany mamolaka izay rehetra mety ho gadona misy eto amin’ny planeta tany. Ampahany amin’ireo ban-kira lalaovin’izy 11 mianadahy mandrafitra ny tarika ny slow, reggae, tsapiky, horija betsileo … Ankehitriny, eo ampiketrehana ny kapila mangirany hirakitra ireo vazony i José Camarade, izay mpaorona, mpandrindra ao anatin’ny tarika. Anisan’ny handrafitra izany ny «Vao lasa ianao», «Tsy ho ela» izay efa vita rindran-tsary tazana eny amin’ny fahitalavitra. Ny habaky ny fitiavana izay miseho amin’ny endrika maro no ironan’ny aingam-pamoronan’i José Camarade. Misokatra malaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tarika hafa ity tarika izay miezaka hatrany manakaiky sy mamaly ny filan’ny mpankafy ny kanto ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT