Loisirs

JL Milalao ny “Latino” laroina gadona avy any atsimo


  • Zoma 10 Oktobra 2014

Jean Lucien Razafindrakoto no tena anarany fa i “JL” eo amin’ny sehatry ny mozika. Vao valo taona izy dia efa nahay nitendry gitara sy namorona vazo. Nampivelatra ny talentany rahateo ny nianarany teo anivon’ny Kolejy Sacré Coeur

Ambohimahasoa izay niakarany ny sehatra voalohany tamin’ny alalan’ireo fetin-tsekoly. Mpikambana teo anivon’ny tarika “Asco music” ny lehilahy tany amin’ny taona 1995 ary niantsoroka ny lafiny feo sy ny fitendrena gitara marani-peo. Ny filalaovana ny “latino” laroina mozika avy any atsimo no fototra ijoroan’ny taokanton’ity mpanakanto mihira ny fiainana ity. “Ts’isy lafatra”, kapila mangirana laharana voalohany amin’ny endrika “DVD” mirakitra hira miisa 08 toy ny “Tiako”, “Irery”, “Iriko”, “Falifaly”, “Manina”, “ts’isy lafatra”, “vendredi magnifique” no nentin’i JL namintina ny 10 taona nikirakirany ny mozika. Tsy misy tokoa ny lafatra eo amin’ny fiainana ambany masoandro fa ny miezaka manatsara hatrany ny zava-bita no tena idealy, hoy i Jean Lucien Razafindrakoto izay miondana mozika tanteraka eo amin’ny fiainany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT