Mpanakanto manana ny lazany sy ny toerany manokana i Jerry Marcos amin’izao fotoana ary saika fahombiazana avokoa ireo hetsika rehetra nokarakarainy tato ho ato raha tsy hiresaka afa-tsy ireo cabaret maro notontosainy tetsy sy teroa. Amin’izao fotoana kosa dia fantatra fa any Frantsa ny lehilahy no hanafana ny fetin’ny fahaleovantena Malagasy. Miendrika fitetezam-paritra ny hetsika ka ny 5 jona dia efa hiaka-tsehatra ao Marseille ny lehilahy. Fiaraha-miasa amin’ny Media Consulting hatrany no ahafahana manatontosa ity hetsika goavana any ivelany ity ka faritra dimy no hotetezina amin’izany. Tranom-pamokarana anisan’ny miroborobo sy manana ny toerany tokoa ny Média consulting, malaza amin’ny fanafarana artista vahiny hanao fampisehoana eto an-tanindrazana ihany koa. Mikasika izany indrindra dia fantatra fa i Zaho, tovovavy Algerianina kalaza ao Eoropa indray no hisantatra ny artista vahiny hiaka-tsehatra eto an-tanindrazana amin’ity taona ity. Mikasika ny fampisehoana iarahana amin’i Jerry Marcos kosa dia hiaraka amin’i Farah John’s sy ny mpandihiny ny lehilahy mandritry ny hetsika rehetra tontosainy amin’izany. Any Belgique no hisy azy ny 12 jona, Toulouse ny 19 jona, any Nantes ny 25 jona ary ao Parisy kosa izy no hanafana ny lanonana ny 26 jona.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.