Loisirs

Jary Nanajary ny «Pop gasy»


  • Alakamisy 22 Mey 2014

Ny fandihin’ilay mpanakanto malaza manerantany Michael Jackson ampiana ny dihy an-drenivohitra ary laroina ny soradihy notovozina anatin’ny vakodrazana malagasy. Ireo no manome ny “pop gasy” izay dihy sy hira sahaza ny rehetra novokarin’i Jary.

 Ankoatra ny maha mpanakanto ny tovolahy miangaly ny hosodoko, tantara an-tsary, mpamorona soradihy ary mitendry zavamaneno i Jary. Miompana tanteraka ho amin’ny fanampiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny fampitana hafatra ny tononkirany. Singanina amin’ireny ny fivoizany ny maha sarobidy ny fandeferana ary ny tsy maha vahaolana ny famonoana tena. “Pop gasy “izay noraisin’i Jary ihany koa ho lohatenin-kirany izay efa tazana eny amin’ny fahitalavitra eto Gasikara mampirisika ny maro hanandratra hatrany ilay maha Malagasy manankasina antsika. Miavaka ny tarika amin’ny fomba fisehoana an-tsehatra noho ny fanehoana ny hira atao ho toy ny tantara mihitsy. Fanomezam-pahasoavana ao amin’i Jary ihany koa ilay sady mandihy manetsika mafy ny vatany rehetra no sady mihira nefa tsy mandiso ny an-tanatoha-peo eo am-panatanterahana izany miaraka. Ny volana jona izao no hiaka-tsehatra eto Analamanga ny tarika Jary ary mikasa ihany koa ny hihazo an’Ambositra. Hanana ny ho aviny mamiratra ny tarika noho izy tsy mba mionona amin’ny fakana tahaka fa mirona tanteraka ho amin’ny famoronana taokanto vaovao sahaza ny rehetra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT