Hanomboka anio alarobia 15 aprily hariva ka tsy hifarana raha tsy ny 17 mey ny fampirantiana miavaka etsy amin’ny Is’art Galérie etsy Ampasanimalo.
Izay ahitana ny sanganasan’ireo mpanakanto mpamorona ankehitriny toa an-dry Taka, Eric Rakotoary, Mama Benz, Veren Konrad, Yasmine Fidimalala, Soavy, Tahina Rakotoarivony, Andry Anjoanina, miaraka amin’ireo zaza tsy ampy taona voafonja izay hampiseho ny hosodoko, asa tanana, zava-maneno noforonin’izy ireo tany am-ponja, miaraka amin’ny famelabelarana hataony. Ny 21 aprily dia haseho koa ny horonantsary notontosain’izy ireo hatrany. Tafiditra anatin’ny hetsika “Festival des films courts” ity hetsika ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.