Fototry ny olana amin`ity fifidianana 2018 ity ny lisi-pifidianana. Mazava ny voalaza ao anatin`ny and.
faha-32 sy ny manaraka amin`ny lalàna velona 2018-008 fa ny 30 desambra hatramin`ny 15 mey no misokatra izy io. “Samy miziriziry ny an-daniny sy ny an-kilany, tsy misy ny marimaritra iraisana kanefa hiroso amin`ny fifidianana izay tsy arofenitra”, hoy i Imbiky Herilaza, mpitsara sady mpahay lalàna. Samy mijoro amin`ny heviny ireo kandidà 26 sy ny CENI ka eo indrindra ny olana. Ny zava-misy dia tanjona ny haneken`ny ankabeazan`ny olona, indrindra ireo kandidà ny valim-pifidianana hisy eo. Dieny izao, efa milaza izy ireo fa raha tsy ekena ny voka-pifidianana dia hitarika korontana, hoy izy. Nomarihany kosa fa raha ekena ny fangatahana izay tsy ao anatin`ny lalàna dia hikorontana ny datim-pifidianana ka hihemotra ny daty amin`ny 7 novambra. Marimaritra iraisana no tokony hivoaka nandritra ny fivoriambe. Notsipihany fa tokony hamoaka didim-panjakana ny fitondrana ka manaiky ny fisokafana izany ao anatin`ny fotoana fohy ary voafetra ny hanokafana ho an`ireo olona tsy voasoratra. Raha hijery ny olona tsy tokony ho ao dia tsy ho tratra ao anatin`ny herinandro na roa herinandro izany satria fifidianana mangarahara sy ara-dalàna no tena tanjona. Manahy ny tenany fa tsy hoeken`ny rehetra ny voka-pifidianana eo. Tsiahivina fa hitondra mandritra ny dimy taona izay ho filoha ka fifidianana mivantana ary ny vahoaka feno taona no mifidy. Izany hoe raha tsy ampy ny fepetra hoe 9 tapitrisa no voasoratra ary 3 hatramin`ny 4 tapitrisa no hifidy ka 2 tapitrisa amin`ireo no handatsa-bato toy ny tamin’ny 2013, mety hiozongozona ny Filoham-pirenena izay ho lany eo ao anatin`ny dimy taona. Ny and-34 ao anatin`ny lalàmpanorenana no milaza fa tokony ho avy any amin`ny maro an`isa no praiminisitra kanefa ilay olona ho lany eo dia mety tsy hahazo maro an`isa ao eny amin`ny Antenimieram-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.