Faran’ny volana tokoa ny andro, fandraisam-bolan’ny ankamaroan’ny mpiasa ka rariny loatra raha mitobaka ny hetsika etsy sy eroa.
Zoma 30 aprily
Foire Vidy Varotra : Hanomboka anio etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena foire Vidy Varotra andiany fahasivy ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 2 mey. Hetsika ara-barotra ahitana sehatra isan-karazany ny Foire. Anisan’izany ny filatroana sy fampisehoana alika maro karazana sy ny fampiderana fiara ankoatra ireo tranoheva samihafa misokatra ho an’ny mpitsidika tsirairay. 1 000 Ariary ny tapakila fidirana izay mety hahazoana tany mitentina 6 600 000 Ariary.
Bodo : Mankalaza ny faharoapolo taona niakarany an-tsehatra i Bodo izao ka etsy amin’ny SK Melody no fotoana, anio manomboka amin’ny sivy ora alina. Tsy ho diso fanantenana, araka izany, ireo mpankafy ny sangan’asan’ity mpanakanto malaza ity satria dia handravaka ny fotoana ireo hira maro nahafantarana an’i Bodo hatramin’izay. Ny laharana 033 12 047 47 sy ny 24 642 21 kosa no antsoina ho an’ny filan-kevitra sy famandrihan-toerana.
Felaniary : Etsy amin’ny Piment Café Behoririka no hifamotoana amin’ny mpankafy amin’ny alalan’ny cabaret ny mpanakanto. Anio alina manomboka amin’ny sivy ora ary ny fotoana.
Samoela “'lay bandy akama “ : Etsy amin’ny Calabria Itaosy indray no hanolotra fampisehoana miavaka i Samoela. Hanomboka amin’ny sivy ora alina ny famisehoana.
sabotsy 1 mey
Henri Ratsimbazafy : Hifamotoana amintsika etsy amin’ny CEMES Soanierana indray i Henri Ratsimbazafy rahampitso antoandro. Fanentanana “déjeuner-concert” no hotontosain’ny mpanakanto amin’io fotoana io ka ny laharana 22 309 13 sy ny 033 03 309 26 no antsoina ho an’ny filan-kevitra sy ny famandrian-toerana.
Suprem Zaza Dago : Mpanakanto vao misondrotra ireo mpikambana ao amin’ny tarika ary hiaka-tsehatra etsy amin’ny Pandora Antaninarenina rahampitso amin’ny roa ora tolakandro. Tahaka ny mahazatra dia DJ efatra be izao no hanafana ny fotoana aorian’izay. 2 500 Ariary kosa no vidim-pidirana. Henika artista ny Kianjan’alarobia : Hanomboka amin’ny folo ora maraina kosa ny fampisehoana iarahana amin’ireo artista maro nifandrimbona tamin’ny CUA ahafahana manatontosa fampisehoana goavana rahampitso. Bodo, Jaojoby, Mamy Gotso, Tovo J’hay sy ny maro tsy voatanisa. Saika mpanakanto malaza avokoa no hifamotoana amin’ny mpankafy rahampitso tontolo. Maimaimpoana ny fidiran’ny ankizy raha 1 000 Ariary kosa no vidim-pidirana ho an’ny lehibe.
Tsiliva, Lola, Jean Aimé sy Mima : Eny amin’ny kianjan’Antsonjombe indray no hifamotoana amin’ny mpankafy ireto artista efatra mianadahy kalaza ireto. Ny fiangaliana mozika mafana no mampalaza azy ireto ka mazava ho azy fa ho henika hafanana ny fampisehoana atolotra amin’izany. Hanomboka amin’ny folo ora maraina ny fampisehoana ary hisy ny vahiny nasaina manokana, dia i Tinah Ti. Shyn : Etsy amin’ny Le Pharaon Ambohidahy kosa no ahitana an’i Shyn ny sabotsy alina manomboka amin’ny sivy ora.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.