Loisirs

Haminiaina Rakotoarivony Voaasa tany amin’ny « Festival de Cannes »


  • Talata 26 Mey 2015

Misy mpanatontosa sarimihetsika malagasy nahazo fanasana tany amin’ny « Festival de Cannes » hisafidianana ny mpilalao, mpanao ary mpamokatra sarimihetsika tsara indrindra eran-tany dia i Haminiaina Rakotoarivony, 38 taona. « Madame le pasteur » no lohatenin’ny sarimihetsika voalohany novokariny niaraka tamin’ny « France Télévision » tamin’ny taona 2005.

 

 Tao amin’ny gazety  LA PRESSE CA i Haminiaina no mitantara ny fihetsehampony sy ny hafaliany  tafakatra eo amin’ny   dingana  faratampony  ho an’ny mpamokatra sarimihetsika ity. Ny « La fabrique des cinemas » niara-niasa tamin’ny tsenan’ny  sarimihetsika  sy ny « festival de Cannes » no misafidy ireo  mpamokatra  folo  voalohany  amin’ireo  vao herotrerony  amin’ity asa ity ka tamin’izany  no nahavoafidy an’i  Haminiaina  Rakotoarivony. Mbola henjana anefa ny  miandry azy  satria  ao anatin’ny fitadiavana vola mitentina 700.000 euros ny tenany  ankehitriny hanatontosany ny sangan’asany. Nandranto  fianarana  teny Ankatso sampana « sociologie » izy vao nianatra  momba ny  fanaovana fanadihadiana tany Frantsa.


Andry Ratovo       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT