Andro manerantany ho an'ny Tranombakoka ny alahady 18 mey izao. Hoentin'ny Radio Feon'Imerina an-tsehatra eny amin'ny CC ESCA Antanimena amin’io andro io amin'ny 3 ora tolakandro ny hiran'Imerina tsy tontan'ny ela.
«Hafa Mihitsy» no lohatenin’ny fampisehoana. Hafa Mihitsy satria sambany no hiseho sehatra goavana indray i Salomon, ka ireo hira nahafantarana azy tao anatin'ny taona maro noforonin'ireo mpamoronkira andrarezina toa an'i Naly Rakotofiringa, Rivo Ramandiamanana, Ramaroson Wilson … no hoentiny eny an-tsehatra. Hampiara-peo aminy amin'io i Lizah Raseta sy Lilie (Randrantelo). Ny mpitendry hanaraka azy dia i Zozoh sy Hery ary Ntsoa.
Fa mbola Hafa Mihitsy koa i Jean Andriamanantena nahazo ny tso-dranon'i André Titys, izay hisehatra amin’io andro io, hamelona ireo sangan'asany diso fantatry ny mpankafy ny kanto. Ny tarika fahatelo dia Ny Angolan'Imerina tarika najoron'ny Radio Feon'Imerina hamelona ireo Kalon'ny fahiny sy Hiran'ny omaly, ka amin'io fampisehoana io dia nofidiany hoentina an-tsehatra ny sangan'asan'ireo mpamoronkira goavana toa an'i JJ Tseheno, Andrianary C N, Fredy Raoilifahanana, Odeam Rakoto, sy ireo hira nampalaza an'ireo sangany toa an'i Ludger, Jeanne Naly … Ho an'ny Radio Feon'Imerina mpikarakara, ny fanamby dia ny hanehoana amim-pahasahiana fa tsy resy tondromaso ny Kanton'Imerina ary tsy maintsy asandratra hatrany satria Hafa Mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.