Loisirs

Groupe Nicolas Midera amin’ny mozika maroloko


  • Talata 30 Septambra 2014

Izay rehetra mety ho gadon-kira (milamina, mihetsika) dia samy entin’ny Groupe Nicolas hiderana ny Ray sy hitoriana ny filazantsara avokoa.

Ny taona 2012 no tafatsangana ny tarika izay tanora no maro an’isa amin’ireo mpikambana miisa valo. “Hira fiderana nampanarahana ny vanim-potoana misy ankehtriny ny fomba namokarana sy ny entina maneho azy an-tsehatra no ataonay”, hoy i Nicolas, lehiben’ny tarika mba ahafahana mitaona karazan’olona maro handray ny hafatra raiketin’ireo hira. Tsy niandry ela rahateo fa efa voajary ankehitriny ny kapila mangirana laharana voalohany “Mifankatiava”.  Mirakitra vazo miisa  07 toy ny “Mahereza”, “ Ao amin’i Jesosy”, “Fiderana”, “Fanahy masina”, “Misaotra Anao” ary ny “Resy lahatra”. Heno anatin’ity vokatra ity ilay hafatra mahitsy toraka sy rindram-peo tsotra nefa kanto voaravaky ny soradihy mendrika  mampiavaka ny Groupe Nicolas rehefa eny an-tsehatra. Tsy ho ela ny seho goavana miaraka amin’ny fitetetezam-paritra ho an’ny tarika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT