Ny mangenaky izay gadona sy fomba fandihy mampiavaka iny faritra atsimon’i Toliara iny ao amin’ny Foko Masikoro no ezahan’ny Groupe «Mamaly 2» voizina ankehitriny.
Mifototra tanteraka amin’ny fampiasana ny kabôsy ravahana feo voarindra sy voazara amin’ny endrika kanto ny «Mangenaky» izay lova avy amin’ireo razambe any amin’ity faritra ity ary fanao amin’ny fora zaza sy ny fotoanan’ny tromba. Ezahanay hotazonina ny endrika maha kanto nentim-paharazana ny «Mangenaky», hoy i Mandigny mpitarika ny «Mamaly 2» mba tsy hahavery ilay soatoavina raiketiny. Tsy hisy, araka izany, ny fampiasana ireo zavamaneno mavesatra toy ny gitara beso sy ny vatamaroafitsoka fa dia ny aponga maroanaka no entina hanatevenana ny feon-kabosy sy ny feomangan’izy efatra mirahalahy mandrafitra ny tarika. Ampahany amin’ireo vazo efa ankafizin’ny maro ny «kabôsy tiako» izay tazana eny amin’ny fahitalavitra. An-dalana ho amin’ny fiketrehana ny kapila mangirany ankehitriny ny tarika. Maro ireo vakomanitra mbola mila trandrahana any amin’ny faritra saingy toa ny hivoy ny kantom-bazaha no mahamaika ireo mitonona ho Mpanakanto ankehitriny. Sao ho lasa Valalan’amboa izy ity e !!!
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.