Ny fahatsapanay fa mahasarika olona tokoa ny fanjifana ny ban-kira mafana amin’izao vanim-potoana misy antsika izao no nanosika anay hilalao ny gadona mafana ho amin’ny fitoriana ny vaovao mahafaly manerana ny Nosy sy hatrany dilambato, hoy i Alain, tanora vao erotrerony mitarika ny Groupe “Generic praise”.
Ny salegy, zouk love, sudaf, malesa no iangalian’ireo tanora miisa 12 mandrafitra ny tarika. Ny “Ndao hivavaka” izay vazo mitaiza fanahy efa be mpankafy no nahafantarana ny “Generic praise saika manerana an’i Gasikara. Mpamorona soradihy nanompana ny talentany manokana ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra no miantsoroka ny soradihy eo anivon’ny tarika izay natao mba tsy hampivaona ny dihy hoenti-midera ny Ray fa ho mendrika sy hanaraka ny fenitra takian’izany. Miady irery ho amin’ny fanajariana ny kantony hanjary kapila mangirana ankehitriny ry “Generic praise” izay manokatra midanadana ny varavarany ho amin’ny fiaraha-miasa hoenti-manabe voho ny asan’Andriamanitra izay adidy masina tokoa mitaky finoana arahina asa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.