Hiditra lalindalina kokoa amin’ny resaka endrika «cabaret» miavaka ny Restaurant Telozoro etsy Andrefan’Ambohijanahary na dia efa nanomboka nanao ity hetsika ity hatramin’ny volana jolay 2013, hoy ny mpitantana Atoa Solohery Christian antsoin’ny maro hoe Bekoto.
Tsirin-kevitra niarahana namolavola tamin’ireo namana vitsivitsy izy ity, hoy izy omaly ka ny hevitra hitondrana azy dia ny fampiraisan-tsaina sy fifanohanana. Ho fanombohana azy, hoy i Bekoto, dia hiaraka hanatanteraka izany cabaret miavaka izany ny sabotsy 7 jona 2014 ry Samoela sy Fali ary Rajao sy ny tarika Iraimbilanja hodimbiasan’ny fiarahan’ny tarika Ambondrona sy tarika ‘Zay sy i Solo ary i Bodo sy i Fali ny 14 jona. Tsy maintsy ferana ny tapakila hamidy, hoy ity tompon’andraikitra ity, satria voafetra ny isan’ny toerana mba tsy hanova ny “accoustique” izy tena ankafizin’ny mpanakanto tokoa ato aminay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.