Tarika iray vao novolavolaina nanomboka ny fiandohan’ny volana aprily lasa teo ny G5. Fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra no tompon-kevitra hahafahana manangana tarika malaza hanana ny maha izy azy sady hiezaka sy hankafy ny fikarohana ihany koa.
Tany am-piandohana dia nahatratra 600 ireo nisoratra anarana izay marihina fa tovolahy avokoa. Ankehitriny, fito sisa izy ireo ka ny dimy ihany no handrafitra ny tarika. Ho fantatra mandritra ny famaranana ny fifaninanana hatao anio sabotsy 27 mey izay hivoaka ho mpandresy. Anisan’ny nanohana ity fanomezan-danja ny tanora Malagasy manan-talenta ity hatrany am-piandohana ny zava-pisotro Skol izay fantatra fa mbola hiara-dia amin’izy ireo hatramin’ny farany. Marihina moa fa ny gadona “electro pop” no tena voizin’ny tarika G5.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.