Loisirs

Foire Vidy Varotra Nifanotofana ny «Collection Jejoo»


  • Alatsinainy 03 Mey 2010


Nifarana omaly tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny Foire Vidy Varotra andiany fahasivy rehefa naharitra hateloana. Nanamarika ity andiany ity ny fivoahan’ny «Collection Jejoo», fitafim-behivavy manara-damaody, naranty sy namidy teny an-toerana ankoatra ireo hetsika samihafa nokarakarain’ny «Jejoo» hanamarihana ny fivoahan’ny vokatra. Nanintona vehivavy maro ary nankasitrahan’ny rehetra ny tolotra ka tsy mahagaga raha tapitra lany avokoa ireo entana. Ankoatra izay dia nisy sahady ireo namandrika fitafy mitondra ny marika «Jejoo». Fa isan’ny nandrasan’ny maro koa ny fisarihana nahazoana tany mitentina 6.600.000 Ariary. Ranjariniaina Fidimanana Albert no tsara vintana tamin’izany. Azy ny tapakila laharana 0017242 voasarika nandritry ny lalao. Tany eny Ambohimanambola no azon’ny lehilahy ary mirefy 300 m² izany. Fiaraha-miasan’ny «Lotis Immobilier» sy ny Groupe Vidy Varotra kosa no nahafahana nanolotra ity loka goavana ity. Hitondra alika handray anjara amin’ny fifaninanana tao amin’ny «Espace Canin» no anton-diany tamin’ny foara kinanjo izy no tsara vintana. Tafakatra tamin’ny famaranana rahateo ny alika nentiny. Nitera-dahy ny lehilahy ka tsy hivarotra velively io tany io fa mikasa hanorina trano. Tany telo mirefy 300m² be izao mantsy no nozarain’ny «Lotis» tamin’ny fisarihana ka ny tapakila laharana 168 sy 0012308 no nahazo ireo tany roa nosarihina omaly hariva.

Luciana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT