Loisirs

Foire Vidy Varotra Hahazo tombony manokana ireo mpitsidika


  • Alakamisy 29 Aprily 2010

Hisokatra manomboka rahampitso zoma 30 aprily ary hitohy hatramin’ny 2 mey ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny «Foire Vidy Varotra», hetsika ara-barotra goavana manana ny maha izy azy tokoa.

Izy ity no foara voalohany hisantatra ny taona ary miavaka amin’ny hetsika ara-barotra mahazatra ny zavatra atolotra ny mpanjifa amin’izany. Ankoatra ireo tranoheva maro avy amin’ny sehatra maro samihafa mantsy dia hisy ihany koa ny toerana voatokana maimaimpoana ho an’ny ankizy sy ny zaza, ho fitsinjovana manokana ny ray aman-dreny. Azo apetraka maimaimpoana eo amin’ny «Espace Recré» avokoa mantsy ny ankizy rehetra raha maniry hiantsena am-pilaminana ny mpitsidika ary afaka maka ireo menaky ny ainy amin’ny fotoana itiavany  azy avy eo. Misy kilalaon’ankizy ihany koa anefa eny an-toerana ahafahan’ny ankizy miala voly ka tsy atahorana hitaraina ny ankizy na hitaky ny hody. Tsy ny reny sy ny zaza ihany akory no voakasik’ity hetsika miavaka ity fa eo ihany koa ny toerana mahaliana ny lehilahy, tsy inona izany  fa ny «Espace new tech» sy ny «espace auto moto». Hisy ny fampisehoana «tunning» sy ny fivarotana fiara, moto ary fitaovana avo lenta samihafa manaraka ny  teknolojia. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny “Espace canin”, toerana voatokana ho an’ireo alika ambony karazana izay hanolotra seho miavaka mandritra ny hetsika.

Hivoaka ny Collection Jejoo
Hanana ny tranohevany ihany koa ny  gazety Jejoo mandritra io fotoana io  ka mandritra izany no hamoahany ireo zava-baovao atolony ho an’ny mpanjifa. Mivoatra hatrany mantsy ny Jejoo izay manana ny toerany manokana etsy Manakambahiny. Malaza amin’ny lamaody manaraka ny toetrandro sy manara-penitra ity toerana ity ary amin’izao fotoana dia nivoaka ny “Collection Jejoo”.  Natao hirakitra ireo akanjo lamaody  vokarin’ny eny an-toerana amin’izao fotoana ity “collection” ity ary hampahafantarina ny rehetra amin’ny alalan’ny filatroana mandritry ny telo andro ao amin’ny “Univers Feminin”. Mirary tokoa ny vidin’ireto fitafy ireto izay manomboka amin’ny 15 000 Ariary monja. Fitafiam-behivavy isan-karazany ilaina amin’ny fotoana rehetra no hita amin’izany ka akanjo tonga dia vonona avokoa izany.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT