Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 24 aprily ho avy izao indray ny foaram-boky andiany faha-11 karakarain’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy sy ny “Association des Editeurs de Madagascar” ( AEDIM).
Mifanindran-dalana indrindra amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona izany, ao anatin’ilay lohahevitra hoe : “zaza tia mamaky boky anio, ho olom-banona rahampitso”. Tanjon’ny mpikarakara ny hahafahana mampihaona ireo mpanoratra sy ny mpamoaka boky ankoatra ny fampahafantarana ireo sekoly marobe eto an-drenivohitra ny fisian’ireo karazam-boky vaovao novokarin’ny AEDIM entina hanampiana ny mpianatra. Hampiavaka ity andiany faha-11 ity ny fandraisan’anjaran’ny masoivoho Amerikanina izay hitondra boky maro amin’ny fiteny Anglisy ihany koa miampy ireo boky hafa amin’ny fiteny Frantsay. Hisy moa mandritra izany ny angano, ny tafatafa, ary ny hirahira izay hiarahana amin’ireo mpanoratra sy mpamorona ary mpanakanto entina hanomezana fahafaham-po ny ankizy. Tsy adino ny fihenam-bidy amin’ireo karazam-boky rehetra ho hita ao anatin’ireo tranoheva miisa 15.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.