Loisirs

Fihaonamben’ny HVM Tsy manomboka akory dia efa misavorovoro


  • Talata 16 Desambra 2014

Hotanterahina eny amin’ny Futura Andranomena amin’ny zoma 19 novambra izao ny fihaonamben’ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM).

Mimenomenona ireo mpizaika avy any amin’ny faritra nasaina handray anjara amin’io fihaonana io momba ny fikarakarana. Ho an-dry zareo avy any Vatovavy Fitovinany any, ohatra, dia nilazana izy ireo fa ny saran-dalana miala ao amin’ny renivohitry ny distrika mankaty Antananarivo mandroso sy miverina ihany no hiantohan’ny mpikarakara, fa dia samy miala am-paosy ny mpizaika amin’ny saram-piantranoana sy ny sakafo ary ny fivezivezena mandritra ny fijanonana eto Antananarivo. Fa ny mampiaka-peo ny samy HVM dia olona hafa no voafidy tany ifotony handray anjara amin’ny zaika, nefa hafa no notendren'ireo mpiandraikitra eny amin’ny faritra sy ny Distrika hiakatra aty Antananarivo. Mety hiverina indray ny zava-nitranga nandritra ny kongresin’ny lalana sy ny fitaterana teny amin’ny CCI Ivato ny faramparan’ny volana novambra teo, mikasika io fandraisana an-tanana ny mpizaika io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT