Loisirs

Fifidianana ben’ny tanŕna Niova ho ARM ny vondrona Ambodivona


  • Alatsinainy 23 Martsa 2015

Niova anarana ny vondrona Ambodivona. Ho fanomanana ny fifidianana ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina dia nanapa-kevitra ireo antoko dimy mivondrona ao Ambodivona dia ny Mapar, Avana, Vpm MMM, ny Antoko Maitso ary ny Hiaraka Isika fa hanolotra kandida ikambanana mba hanamafisana ny tanjak’izy ireo. Fantatra tamin’ny faran’ny herinandro teo ary fa hanana kandida hanenika ny fari-pifidianana

 

 miisa 1602 ny ARM na ny Alliance Républicaine de Madagascar fa izany indray moa no iantsoana azy manomboka izao.  Hatramin’izao dia mbola maro ireo kandida mieritreritra ny hilatsaka hofidiana no misalasala sao tsy hisy indray ity fifidianana ity. Tsotra ny anton’ny ahiahin’izy ireo dia ny  mbola hiandrasana ny vokatr’ilay fandaniana ny sata manokan’Antananarivo izay iankinan’ny daty fametrahan-kofidiana ho an’ny kandida eto Antananarivo Renivohitra. Antony faharoa mampitebiteby ireo kandida ihany koa dia ny hoe hanaiky izay vokatra omen’ny Cenit eo ve ny antokon’ny fitondrana raha toa ka tojo faharesena tsy azo ivalozana ? Mety  ho azo atao tsara mantsy ny manapoitra indray ilay resaka fifidianana izay tokony ho filohan’ny Cenit vaovao izay tsy natao indray ka ilazana amin’izay fotoana izay fa tsy ara-dalàna indray ny  Cenit. Ho an’ny ARM, araka ny fanazavana voaray, dia efa vonona izy ireo  ny hiatrika izay miseho na ho vy na ho vato.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT