Nitambatra ho iray i Willy sy Nina’s. Nifanaiky teo anatrehan’Andriamanitra ireo mpanakanto mpihira ireto omaly, andro iray tena mamy nanatanterahan’ny tsirairay ny nofiny hatramin’ny ela.
Efa ela be tokoa mantsy izy roa ireo no nifankatia raha ny loharanom-baovao azo saingy omaly vao tena niroso tamin’ny fombafomba sy ny fisoratam-panambadiana ary ny mariazy tany am-piangonana. Mpanakanto maro no nanotrona azy roa tamin’izany ankoatra ireo namana sy ny fianakaviana. Na izany aza anefa dia mandeha ihany ny asa ho an’i Nina’s. Hihazo an’Ambanja sahady mantsy izy anio sabotsy hanafana ilay festival Sôrogno raha hiverina eto Antananarivo kosa ny 26 septambra ho avy izao hiaraka amin’i Stéphanie ao anatin’ilay fampisehoana mitondra ny lohateny hoe : Bye bye vakansy ! Tsiahivina moa fa mpanakanto avy any Atsimo Atsinanana i Willy raha avy ao Menabe kosa i Nina’s. Mirary tokantrano sambatra ho azy ireo izahay eto amin’ny gazety Tia tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.