Farafahakeliny, in-telo niverina tetsy amin地y Live Hotel Andavamamba, omaly, nandritry ny fihaonana niarahan地y avy eo anivon段lay hetsika politika Antso ho an地y fanavotam-pirenena (AFP) tamin地y mpanao gazety ny teny hoe 杜iharihary ny fanjakan地y maizina eto amin地y firenena�.
Efa lasa antom-pijoroan’ity hetsika ity mihitsy ny “hiady amin’ny maizina”. Efa be loatra ny ala nenina natao ary dia hita fa efa tokony hotoherina ny tsy rariny ary havotana ny tanindrazana sy ny mpiray tanindrazana, hiadiana amin’ny maizina, hoy ny filoha mpanorina ny hetsika, Faniry Razafimanantany. Very eo am-pelatanantsika i Madagasikara ary lasa ampihimamban’ireo vahiny ny harem-pirenena. Efa ela no nahenoana hetsika nilaza fa tsy azo ekena intsony ny zava-misy kanefa dia very an-javony hatreto. Andrasana indray izay hafitsok’ity an’ny AFP ity.
faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.