Loisirs

Fetin’ny Pentekosta Hafanain’ny Kaominina Antsirabe


  • Alarobia 28 Mey 2014

Tsy ho toy ny isan-taona fa dia hankalazaina miavaka manomboka izao ny fetin’ny Pentekosta ao Antsirabe na dia azo lazaina fa fety Kristianina ihany aza izany.

 Fantatra mantsy fa horaisin’ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe an-tanana manomboka izao ity fety ity ka ny Sosialin’ny Kaominina eo ambany fitarihan’ireo mpitantana no hisahana ny fankalazana. Nampahafantatra izany nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety Atoa Randrianarison Olivier, lefitra voalohan’ny Delegasiona manokana sy Atoa Razafiarison Angelo, solontenan’ny mpiasa. Hetsika maro no hatao ka ho toy ireny fankalazana ny fetin’ny Paska ireny no hitondrana azy, saingy homen-danja manokana sy hovelomina manomboka izao ny kolontsaina misy ao Vakinankaratra, anisan’ireny ny sôva izay mampiavaka an’Antsirabe. Hisy ihany koa ny “Podium” isan-kariva hiakaran’ireo mpanakanto ao an-toerana izay hifaninanana amin’ny hira madinika sy vakodrazana. Ankoatra izay dia hibahan-toerana ny fanatanjahantena isan-karazany toy ny fifaninanana baskety ho an’olon-telo, ny fifaninanana am-bisikileta hihodidina an’Antsirabe, ary ny baolina kitra. Ankoatra izay dia ho rakotra fialamboly tanteraka ho an’ny ankizy ny eo amin’ny manodidina ny gara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT