Taorian’ny “Dandin” sy “Paroles brulées”, tantara an-tsehatra vahiny nentina nahatsiarovana an’i Jean Paulhan nokarakarain’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny IVOKOLO dia hikarakara tantara an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe : “Fanambadiana noterena” indray izy ireo horavahan’ny mozikan’i Lully. Ao amin’ny efitrano malalaky ny IVOKOLO etsy Analakely no hanatanterahana izany anio zoma 14 febroary tolakandro, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny Fetin’ny mpifankatia. Mpianatra miisa valo ao amin’ny lalam-piofanana momba ny fifandraisana no hanome aina izany izay mbola hitohy ny 21 Febroary ho avy izao. Ho an’ity farany manokana dia arahina fihaonana an-databatra boribory ny hetsika ao anatin’ilay lohahevitra hoe : “ny tantara an-tsehatra sy ny hoaviny eto amin’ny firenena”.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.