Hanana endrika nasionaly ny Fetin’ny Mozika amin’ity taona ity. Tanŕn-dehibe 26 no mikarakara hetsika fanamarihana izany ary mampiavaka azy koa ny hamaron’ny hetsika sy ny halavan’ny lanonana amin’ny faritra sasany.
Ny 21 jona izao no andro ofisialy fankalazana ny Fetin’ny Mozika saingy samy manana ny fandaharam-potoana avokoa ny tanàna tsirairay. Naroso ny 12 jona teo, ohatra, ny fety tao Fianarantsoa raha maharitra hateloana kosa ny ao Mananjary izay manomboka ny sabotsy izao ka hatramin’ny alatsinainy. Ho an’Antananarivo manokana dia ny sabotsy 19 jona izao no hotontosaina eny amin’ny Kianja maitson’Analamahitsy ny hetsika manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva. Ny zaridainan’Andohalo no toerana efa nomanina saingy nafindra eny Analamahitsy izany araka ny fangatahan’ny fiadidiana ny FAT raha ny fanazavan’i Peggy Boucon, delege jeneraly lefitry ny Alliance Francaise eto Madagasikara. Mpanakanto 13 no hifandimby hanafana ny sehatra izay samy hanana anjara fotoana 30 ka hatramin’ny 45 minitra avy. Anisan’ireo hiaka-tsehatra Iary, ny tarika Green, Up the Rap ary I Am’s Boys. Ireo mpanakanto mivoy ny gadona an-tanàn-dehibe sy ny nentim-paharazana no tena omena sehatra. Samy manana ny fomba fankalazany ny Fetin’ny Mozika koa ny Kaominina tsirairay ka ankoatra ny fampisehoana ankalamanjana na anaty trano dia misy ny manatanteraka festival, ny lanonana eny amoron-dranomasina, ny tantara antsehatra ary ny fifaninanana dihy sy hira toy ny karaoke. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia hampita mivantana ny lanonana amin’ny alalan’ny web radio ny tambazotra Orange Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.