Loisirs

Fetin'ny Mozika Nomena sehatra manokana ireo mpanakanto eny amoron-dalana


  • Alatsinainy 23 Jona 2014

Nankalazaina ny sabotsy 21 jona lasa teo ny Fetin'ny Mozika. Hetsika efa fanao isan-taona izy ity fa tamin'ity indray mitoraka ity dia ireo mpanakanto amoron-dalana tsy misy mpahalala no nomen'ny minisiteran'ny kolontsaina sy ny vakoka lanja.

Teny Antaninarenina no nisantarana izany. Ireo ankizy madinika mpangataka mpanao tsianjery anaty fiara, ireo olona jamba mpitendry angorodao amoron-dalana... no nomena sehatra manokana izay samy manana hetaheta ny amin'ny tokony hijeren'ny fitondram-panjakana azy. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanentanana notanterahin'ireo mpanakanto maro niaraka tamin'ny fiarabe teny Analakely sy ny manodidina ka anisan'izany ireo tovovavy mpively aponga maro anaka ao amin'ny ONG Bel Avenir any Toliara. Nampiseho ny talentany teny an-dalambe izy ireo no sady niezaka nanome lanja ny kolontsaina malagasy ihany koa. Tsara ny manamarika fa hihazo an'i Brezila ato ho ato izy ireo, hanandratra avo ny kolontsaina Malagasy sy hanao fanentanana maro samihafa ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT