Tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena malagasy, ny Fetin’ny Mozika amin’ity taona ity.
Anisan’ny hetsika entina hanafanana ny lanonana karakarain’ny Komity misahana ny fetim-pirenena koa ny Fetin’ny Mozika. Na izany aza dia mpanomana mavitrika azy ity ny Alliance Française Toamasina miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Ny 20 jona izao no hatao manamorona ny arabe Ratsimilaho, eny amoron-dranomasina ny Fetin’ny Mozika ao Toamasina. Tranoheva enina izay samy ahitana zava-maneno samihafa ilain’ireo mpanakanto 60 mahery handray anjara sy nisoratra anarana, no hapetraka mandritra io 20 jona io. Mpanakanto manokana hanampy ireo avy ao Toamasina ny tarika Silo sy Queen ary ny tarika Zorro Chang avy atsy Le Port La Réunion, izay hifanakalo traikefa amin’ireo artista zandriny. Tao anatin’ny telo taona izay dia niala tao anaty efitranon’ny Alliance Française ny Fetin’ny Mozika ka nafindra an-dalambe. Efa 15 taona kosa no nankalazana azy ity teto Madagasikara. Karnavaly no hanombohana ny lanonana amin’io 12 jona io hataon’ireo mpanakanto sy artista maro any an-toerana.
Ankoatra izay, ny tarika Cosi izay atao hoe tarika zandriny ihany raha ny fisehoana sehatra, dia tarika efa ampy traikefa noho ny dingana efa vitany teo amin’ny sehatry ny kanto sy ny hira. Mozika tropikaly mampalaza ny Malagasy no tena hainy sy ataony. Efa eo am-panomanana ny rarikirany rahateo ny tarika ankehitriny, ka mitady sehatra hahalalan’ny vahoaka azy bebe kokoa eo amin’izay hira sy maha artista azy izay. Sehatra iray ho azy ireo ny Fetin’ny Mozika atao afaka enina andro ao Toamasina ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.