Somary mangingina tsy tahaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska ny fetin’ny pentekôsta any Ambatondrazaka.
Fiomanana ara-panahy no betsaka fa somary mangingina kosa ny hetsika ara-javakanto. Betsaka ny antokom-pivavahana manao ny antsoina hoe : “Herinandro sambatra”. Betsaka no milaza fa efa be ny vola lany tamin’ny Paska ka aleo atao tsotsotra ny amin’ny pentekôsta izao. Saika ny fanomanana ara-panahy izany no tena ataon’ny olona fa mandefitra kely ny ara-nofo. Nihena ny fandaharam-potoana ho an’ny fampisehoana ankalamanjana amin’io fetin’ny pentekôsta io fa ny lanonana any am-piangonana no mameno tanàna. Tsikaritra ihany koa fa taorian’ireny tsy fandriam-pahalemana miseho lany ireny dia midododo manantona an’Andriamanitra avokoa ny olona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.