Loisirs

FESTIVAL Z’OVY Tsy nahafa-po ny mpandray anjara ny hetsika


  • Zoma 19 Septambra 2014

Maro ihany ny hetsika nisesy tao antsirabe tato ho ato. Azo lazaina fa ratsy karakara ny Z’ovy na dia ny fanjakana aza no nikarakara azy.

 Ho an’ireo mpandray anjara dia tsy nahafa-po ny tolotra sy ny fikarakarana kanefa dia lafo ny saran’ny tranoheva izay manodidina ny 100.000 hatramin’ny 150.000 Ariary ny sandany, ka nahatonga ny mpandray anjara hitambatra anaty ny vondrona ka zara raha mampiranty izy ireo. Nisy ihany koa ny Orinasa mpanao fampindraman-bola madinika sy salantsalany ireny no nitaraina fa noterena an-kolaka mba hanohana ara-bola ny hetsika, izay tsy nahafaly azy ireo. Ankoatra ny fahataran’ny fanombohan’ny lanonana moa dia nohiraina fotsiny ny hiram-pirenena fa tsy tazana akory ny sainam-pirenena kanefa dia fanjakana no mikarakara lanonana goavana notantaraina mivantana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana. Fehiny, raha ampitahaina tamin’ny hetsika rehetra tato ho ato dia mbola lavitra ny afo ny kitay. Raha ny fantatra moa dia betsaka ny nanohana ara-bola ny hetsika, izay voalaza fa 3.000.000.000 ariary ny nenti-manana tamin’ny hetsika kanefa izay aloha no zava-nisy tamin’ny fanokafana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT