Festival Mamahoaka

> Hanolotra seho miavaka ry Bapasy


  • Zoma 09 Aogositra 2013

Hetsika ara-kolontsaina mampiavaka an’i Vakinankaratra ny “Mamahoaka”.

Hiditra amin’ny andiany faha-5 izy ankehitriny izay hotontosaina ny zoma 30 aogositra ka hatramin’ny 01 septambra 2013. Amin’ny maha Festival iraisam-pirenena ity hetsika ity dia hisy ny mpanakanto vahiny avy atsy Maorisy handray anjara dia ny tarika ETAE. Fa hiavaka kosa ny fandraisan’anjaran-dry Bapasy, izay tarika isan’ny mitondra ny lazan’i Vakinankaratra eo amin’ny fivoizana ny mozika mafana, indrindra ny «dance». Hanafana ny «Mamahoaka» ihany koa ny tarika malaza toa an-dry Oladad, Silo, Teta, Bekoto, Rajery sy ireo mpanao vakodrazana avy eto Antsirabe ary hisy ihany koa ny alim-pandihizana an-kalamanjana mandritra ny hetsika.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT