Hiara-kihira i Fara Johns sy Arian manomboka izao, mpanankato samy tsy zoviana amintsika intsony. Nisantarany izany ny famoahana hira vaovao izay nampahafantariny ny mpanao gazety omaly.
Hira milamindamina izy io, mitondra ny lohateny hoe : Hafanana, maharitra efatra minitra eo ho eo. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly ihany koa ny fisokafan’ny tranom-pamokarana FJ izay hisokatra ho an’ny mpanakanto rehetra tsy an-kanavaka. Nambaran’i Fara Johns nandritra izany fa anisan’ny olona be fitiavana izy na dia tamin’ny gadona somary mavesatra sy mihetsiketsika aza no tena nahafantarana azy hatramin’izay. Tanjony ny hizara izany amin’ny olon-drehetra hankamamiana ny fiainana na dia eo aza ny olana maro samihafa. Ho hita amin’ny fahilavitra manomboka anio moa io hira vaovaon’izy ireo io. Hivoaka amin’ny faran’ny taona kosa ny hira vaovao manaraka faharoa, arahin’ny fivoahana any amin’ny faritra avy hatrany amin’ny alalan’ny fampisehoana goavana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.