Efa misokatra etsy amin’ny Centre Culturel Albert camus Analakely izao ilay fampirantiana mitondra ny lohateny hoe «Des formes». Miompana indrindra amin’ny resaka haingo sy bika eo amin’ny sehatra isan-karazany izany ka mandray anjara amin’izany avokoa ireo matihanina amin’ny lamaodin’ny fanaingoana trano sy ny maro hafa. Mikendry ny hakanton’ny endrika ivelany sy ny fahaiza-manaingo hafa, miavaka sy tonga lafatra, izay no anisan’ny antom-pisian’ny hetsika izay tsy hifarana raha tsy ny 29 mey. Juliana Anjavola, Frederic Barthes, Angelin Biche, Donn dia anisan’ny mpandray anjara amin’ny hetsika, eo ihany koa ireo mpandray anjara avy amin’ny «Fikambanana Roses & Baobab», ny avy ao amin’ny Contemporary living ary ny avy eny amin’ny Totem ihany koa. Mazava ho azy fa hiavaka ny hetsika ary hanasana ny rehetra. Tsy misy rahateo ny vidim-pidirana.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.