Loisirs

Fahaverezan’ny fitaovan’ny Sôma Mpanakanto malaza no ao ambadika


  • Alakamisy 27 Mey 2010

Fitaovana fanamafisam-peo ahitana “baffle MK2” 80 isa sy “ampli” 32 isa no mandrafitra ny Sôma izay ny tarika Rossy no nomen’ny fitondram-panjakana kanadiana hitantana azy taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny frakôfônia teto Madagasikara tamin’ny taona 1997.

Noho ny antony ara-politika dia voatery nialokaloka tany ivelany ny lehiben’ny tarika ka naterina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha avokoa ireo fitaovana ireo ny taona 2002. Miaramila iray niasa teny an-toerana no nitazona azy. Nisy namoaka tsikelikely anefa ireo fanamafisam-peo ka nahatonga ireo teknisianina nampiasa azy fahiny hanara-maso sy hanatanteraka fanadihadiana. Tsy nitsahatra nanatanteraka izany izy ireo nandritra ny roa taona ka nisy mihitsy ny fakana sary ireo toerana nanaovana fampisehoana sy ny mpanakanto nampiasa azy. Amin’izao fahatongavan’i Rossy eto an-toerana izao dia nohafainganiny ny fanadihadiana izay nankinina tamin’ny zandary ka rangahy iray no sarona. Ity farany no nampindrana sy namarotra ireo fanamafisam-peo isan-karazany raha ny fanazavan’i Rossy kanefa rehefa nalaina ambavany ny tenany dia nanoro ireo rehetra mpiray tsikombakomba taminy.

Fantatra tamin’izany fa misy mpanakanto malaza avy any amin’ny faritra avaratry ny  nosy ao anatin’ilay tambajotra saingy tsy manaiky lembenana ity farany fa mitady lalana any amin’ny manampahefana isan-tokony. Manoloana izany dia miantso azy hamerina ny fitaovana rehetra mbola any am-pelatanany ny tarika Rossy ary manome toky fa hisintona ny fitoriana raha manaiky izany ity farany. Raha mifanohitra amin’izay kosa anefa ny zava-miseho dia hiroso hatramin’ny farany amin’ny fanenjehana azy eo anivon’ny fitsarana koa ny tarika Rossy. Nandritra ny fizahana ny toerana fitobian’ireo entana ambiny sisa tavela tamin’ireo fanamafisam-peo ireo omaly dia “baffles” 40 no hita hatramin’izao ka ny 32 no mandeha ara-dalàna raha tsy misy hita kosa ireo “ampli” rehetra. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT