Fampisehoana goavana hiarahana amin’ireo artista kalaza toa an’i Njakatiana, Jaojoby, Bodo, Dah’ Mama, Melky, Parson Jacques, Hazolahy, Max Exception, Bagzana…no hisantarana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-50 nahazoantsika ny fahaleovantena amin’ny sabotsy 1 mey izao etsy amin’ny kianjan’Alarobia, manomboka amin’ny 10 ora maraina.
Ny fikambanana Madagascar Tous Ensemble (MTE) no mikarakara ny hetsika amin’ny alalan’ny fikambanana “Les amis de Madagascar en France” (ADMF). Natao ho an’ny daholobe ny fampisehoana. 1.000 Ar ny saram-pidirana ho an’ny olon-dehibe raha maimaimpoana kosa ny an’ny ankizy latsaky ny folo taona. Hisy ny fivarotana ny kapila manjelatra novokarin’ireo mpanakanto rehetra ireo amin’io andro io, ao anatin’ilay lohateny hoe : “Antsika jiaby Madagasikara”. Hira fito no hita ao anatin’izany izay samy mampiseho ny fahaizan’ny mpanankato Malagasy mifankatia sy miray hina. Hitohy ny 20 ka hatramin’ny 27 jona ho avy izao ny fankalazana any Savigny le Temple any Frantsa. Karazana hetsika maro no ho hita mandritra io dimy andro io toy ny fankalazana ny fetin’ny mozika, ny famelabelaran-kevitra mikasika ny tantaran’i Madagasikara nandritra ny 50 taona, fampisehoana hiarahana amin’ireo mpanakanto voalaza anarana etsy ambony, izay hifanindran-dalana amin’ny varotra fampisehoana hanehoana ireo haitao sy hairaha mampiavaka an’i Madagasikara.
Teratany Malagasy avokoa ny antsasa-manilan’ireo mpandray anjara ao anatin’ireo tranoheva miisa 40. Hisy koa ny fampisehoana ny fahaizana mahandro gasy sy ny fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra, baskety baolina, tsipy kanetibe ary tenisy, handraisan’ireo mpilalao teratany Malagasy anjara. Ny tanjona dia ny hanondrotana ny voninahitr’i Madagasikara any ivelany sy hampisehoana ny soatoavina sy ny fihavanana Malagasy. Ny vola azo dia entina hamatsiana rano fisotro madio any amin’ny faritra atsimo sy hananganana sekoly any amin’ny faritra avaratra araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana MTE Andrianavalonjafy Marolahy. Mpitsidika hatrany amin’ny 15.000 isa no andrasana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.