Anjaran’ny renivohitr’i Boeny indray no nanohizan’i Francis Turbo ny fanlakazana ny faha-25 taona niakarany an-tsehatra.
Tao amin’ny tranoben’ny kolontsaina ny sy ny vakoka no nihaonan’ity mpanao hatsikana malagasy fantan-daza ity tamin’ny mponin’i Mahajanga sy ny mpiala sasatra. Ny namoronan’Andriamanitra ny zanak’olombelona no anisan’ireo nataony izay mifono fampihomezana. Tao anatin’ny taona maro niakarana an-tsehatra izay dia ny olana ara-teknika no mateti-piseho, hoy izy, ary izay no antony mahatonga azy miditra an-tsehatra amin’ny fanaraha-maso ireo fanamafisam-peo ampiasaina. Hitohy isam-paritra ny fankalazana ny hetsika. Ny lohahevitra nentina nandritra ny hetsika dia “ny faha-25 taonan’ny zava-boaforoko”. Fifaliana no hita teny amin’ny tsirairay izay tonga nijery ny fampisehoana. Maniry ny mbola hiverenan’ity mpanao hatsikana Malagasy ity ny vahoaka ao Mahajanga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.