Hita eny amin’ny «Alliance française Antananarivo» ireo vokatra voatsongan’i Erwan Larzul nalaina tamin’ny lahatsoratra, sary mipika, horonam-peo na koa horonan-tsary.
Tanjon’ny hetsika fampirantiana sary an-kira mandritra ity volana aprily nanomboka omaly 7 hatramin’ny 26 aprily 2015 ity ny hanokatra seha-kolontsaina iray mahakasika an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny kisarisary ventesin’ireo mpanakanto an-kira avy amin’ny faritra samihafa. Efa 15 taona nilomano tao anatin’ny mozika manomboka amin’ny famokarana rakikira, fikarakarana kaonseritra sy hetsika, fanatontosana horonantsary an-kira sy tetikasa mozikaly amin’ny endrika samihafa ity vahiny monina any Bretagne ity. Mitohy amin’ny fampahafantarana sy fanosehana betsaka ireo artista Malagasy moa ny asa sahaniny ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izany ny hetsika «Portraits, sur le chemin de la musique» tanterahana eny Andavamamba.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.