Loisirs

El Diva Mihira sady mitory ny vaovao mahafaly


  • Talata 27 Mey 2014

El Diva, adika tsotra amin’ny hoe : Andriambavilanitra midera an’Andriamanitra. Io no anarana nasalotr’i Korine Raonindriaka ny tarika izay najorony, ny volana septambra, taona 2013 nivalona teo iny.

 Ny fahitana avy amin’Andriamanitra ny amin’ny tokony hanatanterahany ny asa fitoriana amin’ny alalan’ny hira sy dihy rehefa avy nahavita ny fianarany sy ny fandalinany ny baiboly, nandritra ny roa taona, izay nahazoany maripahaizana ambony, teo anivon’ny ISOM “International School Of Ministry” ary ny fahareseny lahatra manokana fa fitaovana iray tsotra sy mahomby ary akaiky kokoa ny maro hoenti-manabe voho ny fitoriana ny fampiasana ny kanto an-kira sy mozika ravahana dihy. Ireo mitambatra no nanosika azy nanangana ny “El Diva izay ahitana mpikambana miisa 18 ankehitriny. Misandrahaka amin-gadona maroloko ny El Diva mba ahafahany mitaona ny rehetra, indrindra fa ny tanora hidera sy hanankina mandrakariva ny fiainana amin’Andriamanitra, hoy i Korine Raonindriaka.

Anisan’ireo ban-kira iangalian’izy ireo ny Rnb, slow, gospel, bagasy … Manana ny hajany sy ny voninahiny lehibe dia lehibe ilay Andriamanitra, hoy ihany ny lehiben’ny El Diva koa izay no nahatonga ny EL Diva maneho fianjaika raitra sy kanto ary manaraka ny vanim-potoana na toetrandro iainana hatrany rehefa maneho ny taokantony izy ireo. Tsy mitsahatra hatreo amin’ny sehatry ny fihirana fotsiny ireo mpikambana rehefa eny an-tsehatra fa laroina fitoriana eny antsefatsefam-potoana ihany koa ny fandaharana rehetra izay anisan’ny mampiavaka ny EL Diva. Am-piketrehana ny raki-peony voalohany “Andriamanitra fitiavana” ankehitriny ny EL Diva izay hivoaka ny volana desambra.

Mialoha io aloha dia ny “hira “Fanahy masina” izay efa tazana eny amin’ny fahitalavitra efa tsy afaka ambavan’ny maro hiampy ny “Hody” hivoaka tsy ho ela no andran-tsira atolotr’izy ireo ny mpanjifa. Tsy ho ela dia hisy ny rantsana EL Diva any Frantsa. Tanjon’izy ireo rahateo ny hitory hatrany dilambato. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa ny El Diva.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT