Loisirs

DVD sy VCD Adisanina FAN’dio Hivoaka ny talata 31 janoary


  • Alatsinainy 23 Janoary 2017

Hivoaka ny talata 31 janoary ho avy izao manerana ny Nosy indray ny DVD sy VCD Adisanina FAN’dio, novokarin’ny SCOOP digital.

Hivoaka  ny talata 31 janoary  ho avy izao manerana ny Nosy indray ny DVD sy VCD Adisanina FAN’dio, novokarin’ny SCOOP digital. Hampiavaka ity horonantsary iray ity ny firaketany ireo karazana tranga tena nisy  sy niainan’ireo Team Safelika nandritra ny fitetezam-paritra maro nataon’izy ireo. Ankoatra ny famalifaliana vahoaka tamin’ny alalan’ny fampisehoana dia niezaka ny nitondra ny anjara birikiny koa izy  ireo tamin’ny famahana ireo olana samihafa mianjady tamin’ny fiarahamonina nolalovany. Anisan’ny hasongadin’izy ireo ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo  fomba amam-panaon’ny tompon’andraikitra, ka manao tsindry hazo lena iretsy voalohany ho fiarovana ny tombontsoan’olom-bitsy.  Seho iray tao anatin’izany no horesahina anatin’ny Adisanina FAN’dio. Mbola maro ireo faritra no voageja anatin’ny kajikajy politikan’ny fitantanana azy ka rehefa tsy ahazoan’ny tompon’andraikitra laza sy voninahitra ary  tombontsoa mivantana dia ataony izay tsy haharaikitra ny fampisehoana ny hetsika atao, eny na dia hetsika ara-java-kanto sy fanasoavana fiarahamonina  aza. Nisedra trangan-javatra tena mafy tokoa  ny Team Safelika tamin’izany, saingy nahita vahaolana hatrany. Matetika anefa dia amin’ny ora farany vao tena tony ireo tompon’andraikitra noho  ny fahitany ireo vahoaka marobe mankafy ity vondrona iray  ity. Raha fintinina, tantara mampihomehy, saingy maneho ireo tranga tena iainan’ireo olona tsara sitrapo te hanampy ny madinika nyAdisanina FAN’dio. Anisan’ireo horonantsary nandaniana vola sy fotoana betsaka indrindra  ihany koa izy satria dia  faritra efatra no nanodinana azy toy ny Faritra Boeny, Vakinankaratra, Analamanga ary Ampefy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT