Manome vahana ny UDR ny sori-dalana ivoahana amin’ny krizy natolotry ny Dr Simao raha ny fahitan’ny Dr Joseph Randriamiharisoa avy ao amin’ny HPM azy.
Nambarany fa efa nanaiky ny hikaroka fifanarahana vaovao miainga amin’ny fanambarana ny fotokevitry ny fifanarahan’ny Maputo sy ny fifanarahana politika teny Ivato ny ankolafy telo ary nampahafantatra ireo hetahetany tamin’ny mpanelanelana saingy tsy hita taratra ao anatin’ilay sori-dalana mihitsy izany. “Tetezamita an’ny rehetra no andrasana saingy toa milaza fa an’ny UDR samirery ny tetezamita raha iny sori-dalana iny”, hoy ity mpanao politika ao anatin’ny ankolafy Zafy ity. Ho an’ny Dr Joseph Randriamiharisoa ihany dia ny tsy fahaiza-manao amin’ny fitantanan-dry Simao ny fanelanelanana mihitsy no olana.
Nambarany fa tokony hifampieran’ny rehetra ny famoahana hevi-dehibe toa ireny fa tsy atao tian-kano tsy tian-kano akory. “Tokony ho natao endrika fanontaniana ireo andininy rehetra ao amin’ilay sori-dalana dia anjaran’ny ankolafy tsirairay avy no manome ny heviny”. Nampiany koa fa zavatra kely sisa no tsy mampitovy hevitra ny mpanao politika hivahan’ny olana satria efa samy nifanaiky ny rehetra na tany Maputo na teny Ivato fa asiana ny filohan’ny FAT, marimaritra iraisana no hanendrena ny praiministra iraisana, sokafana amin’ny hery politika rehetra ny Parlemanta ary ny atsangana ny CENI
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.