Loisirs

Donaben’ny rap gasy Agrad & Skaiz, anisan'ireo hanafana ny sehatra


  • Sabotsy 03 Mey 2014

Ireo samy ngezalahin’ny HH na ny rap gasy avy amin’ny clan miisa roa dia ny "Gasy ploit" ahitana an’i Agrad & Skaiz, Odyai, Tongue Nat... ary ny avy amin’ny Wild Music misy an-dry Tsekman, Nayad, ...

 Ho avy masiaka eny an-toerana ihany koa ry Martiora, Freedom izay miangaly ny reggae Dance Hall sy Jiol’Ambups. Hanampy tosika ho amin’ny fanapoahana an’Antsahamanitra, rahampitso tolakandro ihany koa ny mpikosoka kapila avy ao amin’ny DMC (Dago Mix Club). Nohamafisin’i Andry avy ao amin’ny P&CO mpiketrika ny seho fa tonga ny fotoana hanehoana fa tsy miteniteny foana akory ireo mpiangaly rap eto an-tanàna fa manana ihany koa hafatra mafonja hampitaina amin’ireo mpankafy ny rap. Fotoana iray ahafahan’ireo mpanao HH mametraka amin’ny mpiarabelona aminy ny maha mpanakanto feno sy mendrika azy ireo, araka izany, ny “Donaben’ny rap gasy” izay hangotraka tanteraka tokoa miaraka amin’ireo kalazan’ny rap gasy, rahampitso tolakandro eny Antsahamanitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT