Valalanina ny rehetra raha mahita ireo karazan-dihy mampidera fitombenana hita anatin'ireo rakitsary sy tazana eny an-tsehatra ankehitriny.
Maro no velom-panontanaiana manao hoe : Ho zary lasa «kolontsaina» malagasy tokoa ve izany ny fanatodihana ny fitombenana mankany amin'ireo mpijery ? Raha ny marina mantsy tsy anatin'ny soatoavina malagasy na oviana na oviana ny karazan-dihy fahita amin'izao vainim-potoana misy antsika mianakavy izao. Tsy mahagaga raha toa ka mirongatra ny fanolanana sy ny saina mirona betsaka mankany amin'ny filan'ny nofo. Manana anjara biriky ho fanitsiana izany ny eo anivon'ny misahana ilay atao hoe : «Kolontsaina» sy ny haino aman-jery ary indrindra ireo «Olobe» eto Gasikara toy ny raiamandreny am-panahy, zokiolona sy ireo ambara fa toavin-teny eto amin'ny firenena. Loza tsy mitatao intsony mantsy ny tahaka izao fa efa mihatra tanteraka. Hotazanim-potsiny ary ve sa ho sahy handray andraikitra isika mianakavy ary «Kolontsaina» sa «kolom-pitombenana» no apetraka itaizana ny manam-panahy eto Madagasikara e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.