Hanao fampisehoana dihy goavana in-droa miantaona eto Antananarivo ny D’Pendanse izay ahitana ireo mpampianatra dihy matihanina kalaza ao amin’ilay fandaharana “Danse avec les Stars” izay alefan’ny fahitalavitra frantsay TF1 efa nanomboka ny taona 2011.
Tompomarika amin’ny fikarakarana sy fanafarana azy ireo ny “Conseil Independent de Danse” izay fikambanana nitsangana ny febroary 2015 ary ivondronan’ireo teknisianin’ny dihin’olon-droa ny dihy mihaja sy ara-panatanjahantena sy ireo tomponandraikitra avy amin’ny orinasa mpiangaly ny dihy fahiny ka mitovy fijery. Ny zoma 28 aogositra eny amin’ny CCI Ivato manomboka amin’ny 9 ora alina sy ny alahady 30 aogositra eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina no hanaovana ireo seho ireo izay ahitana ny dihin’olon-droa (valse, tango, paso doble, salsa,…) sy ny dihy ara-panatanjahantena. Hiaka-tsehatra amin’io koa ireo mpandihy malagasy sangany amin’ny endriny maro toy ny nentimpaharazana, dihy gasy, hip hop ary ny moderne jazz. Tanjon’ny CID mpikarakara ny fanangonambola entina hampandrosoana ny taranja dihy eto amintsika. Imasoan’ity fikambanana ity ny fibanjinana ny tombontsoan’ny taranja amin’ny alalan’ny fifanakalozana eto an-toerana hatrany amin’ny sehatra iraisampirenena. Ho an’ny telo taona voalohany dia tanjona ny hiditra mpikamban’ny “World Dance Council”, hitondra fanampiana ireo mpandihy malagasy amin’ny lafiny teknika sy fitaovana, famohazana ny taranja hihetsika kokoa. Ankoatra izay ny fampianarana ny dihy ho an’ireo ankizy sy fanomezana fanabeazana azy ireo amin’ny alalan’ny dihy, ny famatsiana fitaovana ireo any amin’ny faritra, toy ny kiraro sy kojakoja fampiasa amin’ny fifaninanana, famatsiana ara-bola fampiofanana ireo mpandihy, mpitsara ary mpanazatra, fanokafana taninkentsan’ny dihy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo sekoly. Mandritra ny fandalovany eto dia hitsidika ny sekolin’ny Pere Pedro eny Andralanitra koa ny D’Pendanse.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.