Mpanakanto manana ny lazany sy toerany tokoa i Dama, mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo. Mpikambana anisan’ny nanangana ny tarika ihany koa ny lehilahy izay fantatra amin’ireo sanganasan’ny tarika Mahaleo sy ireo hirany mandeha irery ihany koa. Tsy eto an-tanindrazana ihany anefa no mahafantatra ny talentany fa hatrany ampitan-dranomasina ihany koa. Raha mitobaka ary ny fampisehoana eto an-toerana, indrindra ny alatsinain’ny Paska dia any Parisy kosa i Dama no hanolotra fampisehoana ny 18 aprily. Hetsika hafa kely izy ity satria «concert acoustique privé» izay hanana fizarana roa. Ny fizarana voalohany dia i Dama irery raha handraisana vahiny kosa ny fizarana faharoa.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.