Fanina ny olona. Hatramin’ny fampisehoana an-tsehatra avy ity no fehezin’ny vahiny.
Fankalazana ny faha-10 taonan’ny tarika Wawa no nanaovana dokambarotra nipoapoaka tamin’ny haino aman-jery sy ny petadrindrina ary sorabaventy eran’Antananarivo. Sorabaventy milaza fa foana ny fampisehoana fa tsy tonga i Matt Houston anefa no nitsena ireo olona tsy nahalala teo am-bavahadin’Antsonjombe omaly. Mipetraka ny fanontaniana : ilay mpihira frantsay Matt Houston sa i Wawa no tena niantsoana mpijery ho avy teny amin’ny Coliséum omaly ? Mifamahofaho ny resaka, ankoatra ny fahadisoam-panantenan’ny olona mba te hanala azy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.