Hikarakara fetibe entina hamalifaliana ny vahoakan'Antananarivo ny zava-pisotro Coca Cola ny andron'ny 5 Jolay ho avy izao.
Etsy amin'ny ESCA Antanimena no hanatanterahan'izy ireo izany, manomboka amin'ny 9 ora maraina. Araka izay mahafety be azy izay dia hisy ireo mpanakanto hanafana ny fotoana ahitana an'i Agrad skaiz sy ny namany izay tena ankafizin'ny tanora tokoa. Hisy ihany koa ireo karazana kilalao maro samihafa toy ny ping pong, ny billard...izay manomboka amin'ny 500 Ar ny fandraisana anjara, hodidinin'ireo toerana hahafahana misotro zava-pisotro coca cola, ny toerana hahafahana mampiasa internet maimaimpoana. 2.000 Ar no vidim-pidirana. Nomarihin'ireo mpikarakara ny hetsika ao amin'ny orinasa Star moa fa anisan'ny kolontsaina Brezilianina ezahina haparitaka eto amintsika ny tahaka ity hetsika karakarain'izy ireo amin'ny 5 jolay ity. Ny orinasa star rahateo anisan'ny mpanohana ofisialy ny lalao baolitra kitra manerantany tanterahina any Bresil amin'izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.