Fantatra ny faran’ny herinandro teo ireo ekipa 15 tafita hiatrika ny dingan’ny famaranan’ilay “challenge national U22” karakarain’ny federasiona (Fmbb).
Ny sokajy vehivavy no efa fantatra manontolo ireo tarika valo tafita dia i SAVA, Boeny, Vakinankaratra, Atsinanana, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Bongolava. Ekipa fito kosa no efa tafavoaka ho an’ny lehilahy dia i DIANA, Boeny, Analamanga, Atsinanana, Atsimo andrefana, Atsimo atsinanana ary Bongolava. Nahitana olana kosa ary haverina anio any Ihosy ny lalaon’i Matsiatra Ambony sy Ihorombe. Tratra nanao taratasy hosoka mantsy i Matsiatra ambony ary nandà tsy hilalao kosa Ihorombe. Nihintsana noho ny tandrevaka ara-taratasy koa ny ekipan’Analamanga vehivavy ary lavon’i Vakinankaratra an’isa. Nanana solontena tamin’ity fifaninanana ity avokoa moa ireo Faritra 22. Ny 10 ka hatramin’ny 17 aprily izao no hanatanterahana ny dingan’ny famaranana ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena. Ao amin’ny ANS Ampefiloha kosa ny “village des jeux” hitobian’ireo delegasiona 16 hifaninana. Tafakatra 82 tapitrisa ariary ny vola natonton’ny federasiona amin’ny fikarakarana ity fifaninanana ity ka anisan’ny tena nanampy tamin’izany ny masoivoho amerikanina, ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny Telma …. Efa namoaka ny tetiandro hanaovany ireo fifidianana isan’ambaratongany koa ny federasiona ka vitaina mialoha ny 10 aprily ny an’ireo seksiona, mialoha ny 17 aprily ny an’ireo ligy 14 ary ny 30 aprily ny an’ny federasiona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.