Hotanterahina eto amintsika ny 19 ka hatramin’ny 21 jona ho avy izao ny « Carnaval de Madagascar » andiany voalohany, karakarain’ny ORTANA sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Hetsika entina hanandratana ny kolontsaina Malagasy izy io hahafahana misarika mpizahatany vahiny eto an-drenivohitra. Tranoheva am-polony no ho hita mandritra izany handraisan’ireo faritra 22 anjara, hampirantiany ireo karazam-bokatra sy fomba amam-panao mampalaza azy hotronin’ireo foko 18. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ireo sekoly ho avy handray anjara amin’ny filaharambe mandritra ny telo andro izany hanana ora roa na telo mahery isan’andro. Manodidina ny 1 km sy 200 eo ho eo ny lalana hanaovana izany izay marihina fa tsy maintsy hanapahana ny lalana manodidina an’Analakely. Mpanakanto maro no ho avy hanafana ny fotoana ahitana an’i Meizah, Bilo, Farah, Iraimbilanja, Mika sy Davis, Princio, Vilon’Androy ankoatra an’i Francky Vincent mpanakanto vahiny tsy zoviana amintsika intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.